You are here

Moa Fivavahana Kristiana Ve Ny Fivavahana "Mormona"?

Printer-friendly version

Moa Fivavahana Kristiana Ve Ny Fivavahana "Mormona"?

Moa fivavahana kristiana ve ny fivavahana "Mormona"? Toa fanontaniana saro-baliana ho an'ny Mormona maro sy ho an'ny kristiana sasany izy io. Hilaza ny Mormona fa ampidiriny ho anisan'ireo boky efatra izay ekeny ho Soratra Masina ny Baiboly, ary ny finoana an'i Jesosy no ivon'ny finoany, araka ny asehon'ny anarana ofisialy entiny, dia ilay hoe: Ny Fiangonan'i Jesosy Kristy Iombonan'ny Olo-masina amin'ny Andro Farany. Ankoatra izany koa dia maro ny kristiana no efa nandre ny Antoko Mpihiran'ny Tabernakely Mormona nanao hira kristiana, ary niaiky volana noho ny fanoloran-tenan'ny Mormona ho amin'ny fenitra ara-pitondran-tena ambony sy ny fifatorana misy eo amin'ny fianakaviany. Tsy mandeha ho azy ve àry ny maha fivavahana kristiana ny fivavahana Mormona?
 

"Mila mampitaha tsara ireo foto-pampianarana fototra ao amin'ny fivavahana Mormona amin'ireo foto-pampianarana fototra ao amin'ny fivavahana kristiana ara-Tantara sy ara-Baiboly isika mba hahafahana mamaly mazava sy mahitsy io fanontaniana io."


Mila mampitaha tsara ireo foto-pampianarana fototra ao amin'ny fivavahana Mormona amin'ireo foto-pampianarana fototra ao amin'ny fivavahana kristiana ara-Tantara sy ara-Baiboly isika mba hahafahana mamaly mazava sy mahitsy io fanontaniana io. Mba hahazoana mampahafantatra ny toerana misy ny Mormona àry dia nampiasa ireto boky malaza mirakitra ny foto-pampianarana Mormona manaraka ireto izahay, ka ny telo amin'ireo dia navoakan'ny Fiangonana Mormona: Fitsipiky ny Filazantsara (1997), Achieving a Celestial Marriage (1976), A Study of the Articles of Faith (1979) nosoratan'ny Apostoly Mormona James E. Talmage, Doctrines of Salvation (3 vols.) nosoratan'ny Filoha fahafolon'ny Mormona sy ny mpaminany Joseph Fielding Smith, Mormon Doctrine (2nd ed., 1979) nosoratan'ny Apostoly Mormona Bruce R. McConkie ary ny Teachings of the Prophet Joseph Smith.

1. Mihoatra ny iray ve ny tena Andriamanitra marina?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ireo kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa tsy misy afa-tsy tokana ihany ny Andriamanitra Velona sy Marina, ary tsy misy Andriamanitra hafa ankoatra Azy (Deoteronomia 6:4; Isaia 43:10,11; 44:6,8; 45:21,22; 46:9; Marka 12:29-34).

Mifanohitra amin'izany kosa, dia mampianatra ny fiangonana Mormona fa misy Andriamanitra maro (Bokin'i Abrahama 4:3), ary isika dia afaka ho tonga andriamani-dahy sy andriamani-bavy avokoa any amin'ny fanjakan'ny lanitra (Doctrine and Covenants 132:19-20; Fitsipiky ny Filazantsara, p. 227-229; Achieving a Celestial Marriage, p. 130). Mampianatra ihany koa izy ireo fa ireo izay mahavita miaina amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra dia hanana zanaka ara-panahy izay hanompo sy hivavaka aminy, tahaka ny anompoantsika sy ivavahantsika amin'Andriamanitra Ray (Fitsipiky ny Filazantsara p. 227-228).

2. Olombelona tahaka antsika ve Andriamanitra taloha?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ny kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa Fanahy Andriamanitra (Jaona 4:24; 1 Timoty 6:15,16), tsy olombelona Izy (Nomery 23:19; Hosea 11:9; Romana 1:22,23), ary efa nisy hatrizay hatrizay amin'ny maha Andriamanitra Azy: manana ny hery rehetra, mahafantatra ny zavatra rehetra, ary manerana ny toerana rehetra (Salamo 90:2; 139:7-10; Isaia 40:28).

Mifanohitra amin'izany kosa, mampianatra ny fiangonana Mormona fa Andriamanitra Ray dia olombelona tahaka antsika fahiny, saingy nivoatra ka nanjary Andriamanitra, ary manana vatana misy nofo sy taolana (Doctrine and Covenants 130:22: "Andriamanitra koa aza taloha dia mitovy amintsika ankehitriny, ary olombelona misandratra, izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra any!" avy amin'ny Teachings of the Prophet Joseph Smith, p. 345-347; Fitsipiky ny Filazantsara, p. 1; Articles of Faith, p. 430; Mormon Doctrine, p. 321). Mampianatra tokoa ny Fiangonana Mormona fa Andriamanitra koa aza mbola manana ray, sy raibe, sy ny sisa tsy voatanisa (Teachings of the Prophet Joseph Smith, p. 373; Mormon Doctrine, p. 577).

3. Mpirahalahy ara-panahy ve i Jesosy sy i Satana?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ny kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa Zanaka Lahitokan'Andriamanitra i Jesosy; efa nisy hatrizay Izy amin'ny maha-Andriamanitra Azy, ary Izy sy ny Ray dia samy efa niaina hatrizay hatrizay, mitovy laharana (Jaona 1:1,14; 10;30; 14:9; Kolosiana 2:9). Na dia tsy nihena na oviana na oviana aza ny maha Andriamanitra Azy dia nafoiny ny voninahitra izay niarahany nanana tamin'ny Ray rehefa tonga ny fotoana voatendry (Jaona 17:4,5; Filipiana 2:6-11) ary tonga nofo Izy ho famonjena antsika; izany fahatongavany ho nofo izany dia tanteraka tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nitorotoro Azy tamin'ny fomba tsy takatry ny sain'olombelona, sy ny niterahan'ny virjiny iray Azy (Matio 1:18-23; Lioka 1:34-35).

Mifanohitra amin'izany kosa, dia mampianatra ny fiangonana Mormona fa Zokintsika Lahimatoa i Jesosy, izay nivoatra ka tonga Andriamanitra, ary tamin'ny voalohany dia nateraky ny Ray any an-danitra sy ny reny iray any an-danitra ho zanany ara-panahy Izy. Taorian'izany dia notorotoroina ara-batana tamin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo nisy teo amin'ny Ray any an-danitra sy Maria virjiny Izy (Achieving a Celestial Marriage, p. 129; Mormon Doctrine, p. 546-547; 742). Hamafisin'ny foto-pampianarana Mormona fa mpirahalahy i Jesosy sy i Satana (Fitsipiky ny Filazantsara, p. 17-18; Mormon Doctrine, p. 192).

4. Trinite ve Andriamanitra?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ny kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa tsy Andriamanitra maromaro misaraka, na zava-manan'aina misaraka akory ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, fa Persona telo miavaka tsara ao anatin'ny Andriamanitra tokana Telo-Izay-Iray. Manerana ny Testamenta Vaovao manontolo dia ampahafantarina tsirairay sy miasa amin'ny maha-Andriamanitra Azy avy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina, ary ny Ray (ny Zanaka: Marka 2:5-12; Jaona 20:28; Filipiana 2:10,11; ny Fanahy Masina: Asa 5:3,4; 2 Korintiana 3:17, 18; 13:14). Mampianatra koa anefa ny Baiboly fa ireo telo ireo dia Andriamanitra tokana ihany (Jereo 1).

Mifanohitra amin'izany kosa, mampianatra ny fiangonana Mormona fa Andriamanitra telo samy hafa ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina (Teachings of the Prophet Joseph Smith, p. 370; Mormon Doctrine, p. 576-577), ary ny Zanaka sy ny Fanahy Masina dia zanaka ara-bakitenin'ny Ray any an-danitra sy ny vadiny iray tany an-danitra (Joseph Fielding McConkie, Encyclopedia of Mormonism, vol. 2, p. 649).

5. Faharatsiana goavana, sa fitahiana lehibe ilay fahotan'i Adama sy Eva?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ireo kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa faharatsiana lehibe ilay tsy fankatoavan'i Adama sy Eva, izany hoe ireo razambentsika voalohany, an'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'ny fahalavoan'izy ireo no nidiran'ny fahotana teto amin'izao tontolo izao, ary dia nitondra ny olombelona rehetra ho eo ambany fanamelohana sy fahafatesana. Noho izany, teraka miaraka amin'ny toetra maha mpanota isika, ary ho tsaraina noho ny fahotana izay nataontsika tsirairay isam-batan'olona (Ezekiela 18:1-20; Romana 5;12-21).

Mifanohitra amin'izany kosa, dia mampianatra ny fiangonana Mormona fa "dingana iray tena nilaina ho an'ny drafitry ny fiainana, ary fitahiana lehibe ho antsika rehetra" ny fahotan'i Adama (Fitsipiky ny Filazantsara p. 20; Mormona - 2 Nefy 2:23-25; Doctrines of Salvation, vol. 1, p. 114-115).

6. Afaka manao izay hahamendrika ny tenantsika eo anatrehan'Andriamanitra ve isika?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ny kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa raha tsy nisy ny asa famonjena nataon'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana dia "mbola matin'ny (maty ara-panahy) fahadisoana sy ny fahotana" ihany isika (Efesiana 2:1,5) ary tsy manana hery hamonjena tena. Noho ny famindrampony anefa dia mamela ny fahotantsika Andriamanitra ary manao antsika ho mendrika, noho ny fahasoavany irery ihany izany, fa tsy avy amin'ny fahamendrehan'olombelona na ny asam-pahamarinana ataon'ny tena (Efesiana 2:8-9; Titosy 3:5-6). Ny anjarantsika dia ny mifikitra amin'i Kristy amin'ny finoana vokatry ny fo. (Na izany aza, dia tena marina tsy ihambahambana fa raha toa ka tsy hita miharihary ny fiovam-pitondrantenan' ny olona iray dia toa mampisalasala ihany ny fijoroany ho vavolombelon'ny finoany an'i Kristy; ny hoe famonjena noho ny fahasoavana amin'ny alalan'ny finoana mantsy dia tsy midika fa afaka miaina araka izay danin'ny kibo isika - Romana 6:1-4).

Mifanohitra amin'izany kosa, mampianatra ny fiangonana Mormona fa tsy maintsy amin'ny alalan'ny fankatoavana ireo didy rehetra ao amin'ny fiangonana Mormona no ahazoana ny fiainana mandrakizay eo anatrehan'Andriamanitra ("fisandratana any amin'ny Fanjakan'ny Lanitra" no ilazany azy), tafiditra ao anatin'izany ireo fombafombam-pivavahana manokana tsy hita afa-tsy ao amin'ny tempoly Mormona irery ihany. Fepetra takiana ho amin'ny famonjena (na fidirana ao amin'ny "Fanjakan'ny Lanitra") ny asa - Fitsipiky ny Filazantsara p. 227-228; Pearl of Great Price - Third Article of Faith; Mormon Doctrine, p. 339,671; Mormona - 2 Nefy 25:23).

7. Mahasoa ireo mandà Azy ve ny asam-panavotana izay nataon'i Kristy?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ny kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa ny tanjon'ny asam-panavotana nataon'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana dia ny hanolotra ny vahaolana feno ho an'ny fahotan'ny olombelona. Kanefa, tsy hanana anjara amin'io famonjena io kosa ireo izay mandà ny fahasoavan'Andriamanitra eto amin'izao fiainana izao, fa hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra mandrakizay (Jaona 3:36; Hebreo 9:27; 1 Jaona 5:11-12).

Mifanohitra amin'izany kosa, mampianatra ny fiangonana Mormona fa ny tanjon'ny fanavotana dia ny hitondra ny fitsanganana amin'ny maty sy ny tsy fahafatesana mandrakizay ho an'ny olona, na mandray an'i Kristy amin'ny finoana izy na tsia. Ny fanavotan'i Kristy dia fototra ampahany ihany hahazoana fahamendrehana sy fiainana mandrakizay, izay mitaky ny fankatoavana ireo didy rehetra ao amin'ny fiangonana Mormona, ary anisan'izany ireo fombafombam-pivavahana manokana izay tsy hita afa-tsy ao amin'ny tempoly Mormona irery ihany (Fitsipiky ny Filazantsara, p. 227-228; Mormon Doctrine, p. 669).

8. Ny Baiboly ve no Tenin'Andriamanitra tokana sady nomena farany?

Ampianarin'ny Baiboly ary inoan' ireo kristiana izay manaraka ny finoana ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby, fa ny Baiboly no Tenin'Andriamanitra tokana, farany, tsy misy diso (2 Timoty 3:16; Hebreo 1:1,2; 2 Petera 1:21) ary maharitra mandrakizay (1 Petera 1:23-25). Ny nahitana ireo horonan-taratasy tany amin'ny Ranomasina Maty dia maneho ny fomba mahagaga nitehirizan'Andriamanitra ireo lahatsoratry ny Baiboly.

Mifanohitra amin'izany kosa, ny fiangonana Mormona dia mampianatra fa efa simba ny Baiboly, ary "ampahany mazava sy sarobidy" maro no tsy hita ao intsony (Mormona - 1 Nefy 13:26-29; Teachings of the Prophet Joseph Smith, p. 9-10).

9. Tratran'ny "Fianjerana" ("apostasie") ve ny fiangonana voalohany?

Ampianarin'ny Baiboly sy inoan'ny kristiana rehetra manaraka ny finoana izay ekena ho marina, nandritra ny taona nifandimby fa i Jesosy no nanorina ny tena Fiangonana marina, izay tsy mbola nanjavona, ary tsy hanjavona na oviana na oviana eto ambonin'ny tany (Matio 16:18; Jaona 17:11). Eken'ny kristiana fa nisy tokoa ny fotoanan'ny fahalovana sy ny fahalavoana tamin'ny finoana tao amin'ny Fiangonana, kanefa nisy hatrany ireo sisa tavela izay nifikitra tamin'ireo zava-dehibe fototra ao amin'ny Baiboly.

Mifanohitra amin'izany kosa, mampianatra ny fiangonana Mormona fa nisy "fianjerana" na "Famoizana" tanteraka ary lehibe teo amin'ilay Fiangonana izay naorin'i Jesosy Kristy; ary mbola mitombina io, afa-tsy ho an'ireo izay efa mahafantatra ilay filazantsara tafaverina amin'ny laoniny, dia ny filazantsaran'ny fiangonana Mormona izany (Fitsipiky ny Filazantsara p. 88-89; Mormon Doctrine, p. 44).

 



Famaranana

Ireo sora-mandry etsy ambony no hita ao amin'ny filazantsara mahazatra inoan'ireo krisitiana rehetra manaiky ny fampianarana ekena nandritra ny taona nifandimby, na inona na inona anaram-piangonana nentiny. Etsy andanin'izany kosa, dia misy ny fivavahana vaovao toy ny Mormona izay milaza tena ho kristiana, kanefa manaiky soratra hafa ankoatra ny Baiboly ho Soratra Masina, mampianatra foto-pampianarana izay mifanohitra amin'ny Baiboly, ary mino zavatra izay tena tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny fampianaran'i Jesosy sy ny apostoliny.

Misy foto-kevitra ara-moraly vitsivitsy ara-Baiboly iraisan'ny Mormona sy ny kristiana. Na dia izany aza anefa, ireo foto-kevitra eo ambony ireo dia ohatra vitsy ihany amin'ireo fahasamihafana fototra sy tsy mety mifanindran-dalana marobe misy eo amin'ny fivavahana Mormona sy Kristiana, na ara-Tantara na ara-Baiboly. Na dia tsy manakana antsika tsy haneho hatsaram-panahy sy fanajana ny Mormona aza ireo fahasamihafana ireo, dia tsy azontsika atao kosa ny mihevitra azy ireo ho toy ny rahalahy sy rahavavy ao amin'i Kristy. Ny Baiboly dia mampitandrina manokana ny amin'ireo mpaminany sandoka izay hampianatra "filazantsara hafa" mifototra amina "Jesosy hafa," sy atrehina "fanahy hafa" (2 Korintiana 11:4, 13-15; Galatiana 1:6-9). Io porofo natolotra tetsy ambony io no mahatonga anay hino fa filazantsara sandoka tahaka izany no asehon'ny fivavahana Mormona.

Efa voalaza teo aloha fa raha misy milaza ny tenany ho Mormona kanefa mandà ireo fampianarana fototra ao amin'ny fivavahana Mormona (izany hoe, mpaminanin'Andriamanitra Joseph Smith, marina ny bokin'ny Mormona ary tsindrimandry avy amin'Andriamanitra, Olombelona Andriamanitra fahiny fa nivoatra ho Andriamanitra noho ny fitandremany ireo lalàna sy fitsipiky ny Fiangonana Mormona, ary Andriamanitra no nanorina ny fiangonana Mormona) dia holavin'ny fiangonana Mormona tsy ho isan'ny Olo-masina Amin'ny Andro Farany izany olona izany. Tsy afaka tena hiantso ny tenany ho Mormona mantsy ny olona iray raha toa ka tsy mino ireo fampianarana fototra ampianarin'ny fiangonana Mormona. Raha izay marika izay ihany no raisina, raha tsy mihazona ireo fahamarinana fototra ao amin'ny Baiboly inoan'ny ankamaroan'ny kristiana nandritra ny taona nifandimby ny fiangonana Mormona, ahoana kosa àry no haneken'ny kristiana mandanjalanja tsara, fa fivavahana kristiana marina ny fivavahana Mormona?

Raha inoan'ny fiangonana Mormona fa izy irery ihany no tena fiangonana kristiana marina dia tsy tokony hiezaka haneho ny tenany ampahibemaso ho toy ny naman'ireo fiangonana sisa izy. Ny tokony hataony kosa dia hanambara mivantana amin'izao tontolo izao fa tsy tena kristiana velively tsy akory ireo izay manaraka ny fampianarana ekena ho marina, fa ny fiangonana Mormona irery ihany no hany Fiangonana Kristiana tena izy. Io, raha ny marina, no ampianariny any amin'ny mangingina, fa tsy ampahibemaso.